<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>F. Filtz</author>
<lyrics>[V1]
 Jeso, Zanahary !
 Masina sy to,
 Nanome ny ainao
 Noho ny olonao.

[V2]
 Tsy niaro loza
 Tamin-tenanao,
 Fa mba tonga ory
 Noho ny olonao.

[V3]
 Nentinao ny ratsy,
 Soa nolavinao,
 Lapa nialanao,
 Noho ny olonao.

[V4]
 Jeso Tomponay ô !
 Tompo masina,
 Manomezà soa
 Ny mpanomponao !

[V5]
 Mamelà ny ota,
 Manovà ny fo,
 Diovy ny maloto ;
 Aoka ho olonao.

[V6]
 Tompo ô, Tsitoha
 Vatolampinay !
 Saotra aman-dera
 Raiso ho Anao !</lyrics>
<title>Jeso, Zanahary! FFPM113</title>
<hymn_number>113</hymn_number>
</song>